TANTARA


Tapany Voalohany





Tamin'ny volana Marsa 1999 no niatomboka ny fikarohana momba ny kilalao izay andraisan'ny olo-maro(Multiplayer Game) anjara ary azo atao amin'ny internet. Mod (avy amin'ny teny anglisy modification) avy amin'ilay lalao amin'ny solosaina malaza indrindra atao hoe Half-Life no nahatongavan'ny hevitra. Ary ny ady amin'ny fampihorohoroana ataon'ny mpitandro-filaminana no nalain-tahaka.


Tsotsotra ny fomba ilalaovana noho izany. Na ianao milalao amin'ny toeran'ny mpampihorohoro (Terrorist) na amin'ny toeran'ny mpitandro-filaminana (Counter-Terrorist).

Karazan-toerana (location) ary fizotran-dalao (scenario) maro no isehoan'ny fifanoherana.

Fanampiana ny mpiara-milalao (Teammates) handresy ny sombin-dalao (Round) no kendrena: na tratra ny tanjona na fongotra daholo ny mpanohitra.


Isan-karazany ny tanjona (Goal) : fanavotan-takalon'aina (hostage rescue), fametraham-baomba na fampijanonana azy tsy hipoaka (bomb placement or defusal), famonoan'olona avo(assassination), ary fandosirana (escape). Amin'ny Counter-Strike (CS) dia afaka mandresy ny ekipa (team) iray na dia tsy namongotra ny fahavalo rehetra aza. Io no an'isan'ny manavaka azy amin'ny lalao hafa. Izany hoe ny tanjona no tena zava-dehibe.


Tapany Faharoa


Hatramin'ny voalohany dia olona anankiroa no mpanapa-kevitra momba ny Counter-Strike:

Minh "Gooseman" Le sy "Cliffe". Gooseman no mpandahatra ny ara-teknika sady mpitarika raha teo. i Cliffe indray mpisolo-tena ny ekipa mpamokatra ny Counter-Strike, mpikarakara ny tranon-kala, mpanandrana ny map vaovao na toerana ilalaovana, ary mpikarakara fotoam-panandramana (test sessions) koa.


Efa nalaza dia nalaza tokoa i Gooseman talohan'ny nanombohany ny Counter-Strike teo amin'ny fianakavian'ny mpanao mod. Fantatrin'ny rehetra ny asan'ny amin'ny mod "Quake 1 Navy Seals" ary amin'ny lalao tena fanta-daza "Action Quake 2".

Niditra tamin'ny tranon-kalan'ny map natokana hoan'ny "Action Quake 2" atao hoe "AQ Map Depot" i Cliffe, ary nanome soso-kevitra momba ny fanamboarany tranon-kala hoan'ny hevitr'i Gooseman ny hanaovana mod ho an'ny Half-Life.

Taorian'ny resadresaka kely tamin'ny ICQ indray alina no voaforona ny volavolan-dalao.

Ary Counter-Strike no voatendry ho anarany.


Noraisin'ny Cyberathlete Professional League (CPL) ho lalao ofisialin'ny fifaninanana karakarainy ny Counter-Strike. Ary fotoana fohy taty aoriana dia tafiditra amin'ilay songerin-dalao be-mpaniry E-Sports World Championship (ESWC) izay atao isan-taona.


Rehefa hita fa be mpilalao ny Counter-Strike dia noraisin'ny Valve -izay mpamokatra ny Hal-Life- ho mpiasany i Gooseman sy Cliffe anatin'ny ekipa mpamokatra ny Counter-Strike. Lasa lalao ofisialy ny Counter-Strike nanomboka eo. Ary efa betsaka ny karazany efa vita. Counter-Strike 1.6 izao no be mpilalao indrindra. Counter-Strike Condition Zero no natao hilalaovana irery : izany hoe miady amin'ny solosaina. Counter-Strike Source no nivoaka farany ary mampiasa ny môtera Source na HL2 (Half-Life 2).


jbR sy Mi-rK.